Romans 12

1Mangataka anareo aho noho izany, ry rahalahy, noho ireo famindram-pon’Andriamanitra, mba hanolotra ny vatanareo ho sorona velona, masina, eken’ Andriamanitra. Izany no fanompoanareo araka ny tokony ho izy. 2Aza mitovy amin’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozana ny sainareo. Ataovy izao mba ho fantatrareo izany tsara, azo ekena, ary ny sitrapo lafatr’Andriamanitra.

3Fa ambarako, nohon’ny fahasoavana izay nomena ahy, ny tsy tokony hananan’ny rehetra izay eo aminareo eritreritra hanambony ny tenany mihoatra izay tokony ho eritreretiny. Fa kosa, tokony hieritreritra am-pahendrena izy ireo, tahaka ny nanomezan’ Andriamanitra fatram-pinoana ny tsirairay avy.

4Fa manana rantsana maro amin’ny vatantsika isika, kanefa tsy mitovy avokoa ny asan’ireo rantsana ireo. 5Mitovy amin’izany, isika izay maro be dia vatana iray ihany ao amin’i Kristy, ary rantsana manokana amin’ny tsirairay.

6Manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika araka ny fahasoavana izay nomena antsika. Raha faminaniana no fanomezam-pahasoavan’ny iray, dia aoka atao araka ny haben’ny finoany. 7Raha fanompoana no fanomezam-pahasoavan’ny iray, dia aoka izy hanompo. Raha nisy iray nahazo fanomezam-pahasoavana hampianatra, aoka izy hampianatra. 8Raha fampaherezana no fanomezam-pahasoavan’ny iray, aoka izy hampahery. Raha mahanome no fanomezam-pahasoavan’ny iray, aoka izy hanao izany amim-pahalala-tanana. Raha hitarika no fanomezam-pahasoavan’ny iray, aoka izany ho vita am-pitandremana. Raha hampiseho fangoraham-po no fanomezam-pahasoavan’ny iray, aoka izany ho vita am-piravoravoana.

9Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsaram-belatsihy. Ankahalao ny ratsy; hazony mafy izay tsara. 10Raha ny momba ny fitiavan’ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo tsirairay avy. Raha ny momba ny fanomezam- boninahitra, mifanajà.

11Raha ny momba ny fikirizana, aza misalasala. Raha ny momba ny Fanahy, aoka hafana fo. Momba ny Tompo, tompoy Izy. 12Mifalia ao amin’ny fahatokiana izay hanananao momba ny ho avy. Mahareta amin’ireo olanao. Mivavaha hatrany. 13Mifampizara amin’izay ilain’ny mpino. Mitadiava fomba maro hampiantranoanao olona.

14Misaora ireo izay manenjika anao; misaora ary aza manozona. 15Miaraha-mifaly amin’ireo izay mifaly; miaraha-mitomany amin’ireo izay mitomany. 16Mitovia fisainana amin’ny tsirairay. Aza misaina amin’ny fomba mirehareha, fa ekeo ireo olona ambany. Aza mihevitra ny tenanao ho hendry.

17Aza mamaly ratsy ny ratsy. Manaova zavatra tsara maro eo imason’ny olona rehetra. 18Raha mety, araka izay azonao atao, mihavana amin’ny olona rehetra.

19Aza mamaly ratsy ny tenanareo, ry malala, fa omeo lalana ny fahatezerana Andriamanitra. Fa efa voasoratra hoe: ‘‘’Ahy ny vali-faty; Izaho no hamaly,’ hoy ny Tompo.‘’ 20Fa raha noana ny fahavalonao, omeo sakafo izy. Raha mangetaheta izy, omeo ho sotroina izy. Fa raha manao izany ianao, dia hanangona vain’afo eo amin’ny lohany.‘’ Aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny tsara ny ratsy.

21

Copyright information for PltULB